NY HAFATRO
Mandehàna izy haingana ambarao,
Mandehàna izy haingana mba lazao
Fa any lavitra any sy izay aleha,
Misy malala mbola tia, hono, hoe.
Mandehàna izy haingana mba jereo
Ka ampiravoravoy raha be toreo,
Tambatambazo raha be tomany,
Tsy hampanjombona ahy hatrany.
Hafatrafaro azy fa tsy hadinoiko,
Resadresaho azy fa mba tsaroako
'reo hirahira sy ilay fahiny
mametsovetso tsy misy tsiny.
Ampitapitao azy tsara indray
'lay mbola fitiavako azy izay,
Ka teniteneno azy na im-polo
Fa resaka ihany ny ho voasolo.
Ambarambarao azy f'ilay kamory
Ka dia lany hira sy tonga ory ;
Lazalazao azy fa mba mitoetra
Ny momba azy rehetra rehetra.
Dia veloma, hono, raha manontany,
Hoy ilay misento sy te hankany ;
Asaivo mitsiky raha mbola manina
Fa hatraty avy no tsy hay tazanina !
Fredy JAOFERA