NY VOLON'ANDRO
Ny volon'andro moa mandoko
Ny raki-miafina ato am-poko
Sa kosa te hiombom-panahy
Sy hanala havizanana ahy ?
Rehefa mijojo izany orana
Ny kibo no mangorangorana
Ny volon'andro no malahelo
Amin'ity ora mampamelovelo
Fa ny volon'andro rehefa faly
Ny natiora rehetra toa voakaly
Ka nisinda hatramin'ny rahona
Niova ho tantely koa ny vahona
Ny volon'andro moa mandoko
Ny raki-miafina ato am-poko,
Sa kosa te hiombom-panahy ?
Asa fa dia mahavariana ahy.
Antsiva