PAOMA VOLAMENA
Aiza ho aiza eto an-tany
No toerana anirian'izany
Karazam-paoma tena miavaka
Sady mamiratra, mandravaka ?
Tahaka ny tsy mba ho lo,
Moa fanisy zezika ihany koa ?
Manan-kery haninto-maso,
Tsy foy ho rembin'ny ankaso.
Hay paoma tsy mba nambolena ?
Antomorina ka toa volamena !
Maorimaorina sy mahavariana
Manintona sy mahasondriana.
Nefa mila tamby sy kajiana,
Tsy manan-toerana aniriana,
Tahitahina sy kenakenaina
Fa mora vaky sy mampangaina
Antsiva