PITIK'AFO

Teo anivon'
Ny kamory
Iray marivo
No nivory
Voron-drano
Mihaminkamina
Tazano
Fa tsy malina
Ka haiko
Hoy ianao
Ny nijaiko
Toy izao:

Niroboka aho
Nijoko
Nidoboka
Ny foko,
Naka sary
Ka ilay tena
Lavorary
Nokendrena
Ka hanova
Loko ilay
Anatirova.

Teo anivon'
Ny vahoakan'
Iarivo
No nivoaka
Tsiky iray
Nihelatrelatra
Ary injay
Ary elatra,
Voaraiko
Nofihinina
Ary haiko
Sakambinina.

Iny aky
No pitik'afon'
Ny fitia
Mitafotafo :
Ilay fanahy
Manan-kery
Tiako ho ahy
Samirery
Hokoloiko
Ao anaty
Sy tsy foiko
Mandra-maty!



Toetra RAJA
15 novambra 2004