RADO

NY MPANORATRA ANIO : RADO
Fanadihadiana nataon'i Hanitr'Ony





Isam-bolana dia hoentinay hitsidika tontolona mpanoratra iray ianao ato anatin'ny Torim-Baliha mba hampahafantarana anao ireo mpanoratra Malagasy, mpanoratra efa fanta-daza na tsia nefa hita ho namela harena an-tsoratra sy ara-kolon-tsaina ho an'ny taranaka Malagasy no horesahina amin'izany : Ao ireo fahiny tsy tontan'ny ela, ao koa ireo voatavo tsy mifandraka.


Amin'ity indray mitoraka ity dia i RADO no nosafidianay haroso aminao. RADO ilay mpanoratra nandray toerana lehibe teo amin'ny Tolona, ny Politika, ny Tanindrazana, ny Vavaka, ny Fiainana andavanandron'ny Malagasy, ny Fitiavana, ny Alahelo sy ny Fanantenana, ny Ady ho an'ny fitovian-jo sy ny Firaisan-kina.

Ny Tanindrazana moa no lohahevitra mitondra ny fandaharantsika anio ary tsy misy tsy mahalala angamba fa i RADO sy ny Tanindrazana dia iray : firifiry moa ny tononkalon'i RADO no mifototra amin'izany ka mihiaka ny tolony ho an'ny fahafahana, manohitra ny tsy rariny. Ho an'ny Tanindrazany aloha izany voalohany indrindra na dia marina aza fa mahasehana toe-javatra mety hitranga erak'izao tontolo izao ny fototry ny heviny. Tao amin'ny lahateny izay nataony tamin'ny fandraisana azy ho mpikambana ao amin'ny Akademiam-pirenena Malagasy ny 28 janoary 1988 dia toy izao no filazany izany raha niresaka momba ireo nipoirany izy: "Avy amin'ny lafin-dreny kosa dia taranaka nipoitra tao an-tanànan'Amboanana, dia ilay vohitra kely ao atsimon'Arivonimamo, izay nisehoan'ireo Menalamba sahy nanohitra ny Fanjanahantany teto Madagasikara. Araka izany koa dia mba nandova ny ran'ireo tia tanindrazana tsy nanaiky ny taniny hozogain'ny vahiny." Ary dia ho arak'izany ny soritry ny fiainany, ny fomba nanehoany azy dia teo amin'ny Soratra.





Fa iza moa i RADO?



Andriamanantena Georges no anarana nahaterahany tamin'ny 1 oktobra 1923, tao Ankadivato Antananarivo. RADO ilay mpanoratra kosa dia tonga 18 taona taty aoriana ary niray dìa sy aina taminy. Zanak'Andriamanantena Gaston (mpitandrina) sy Razafindrafara izy, faralahy amin'izy dimy mianadahy. Nihalehibe tao Antananarivo sy nianatra tamin'ireto sekoly ireto izy:

- Sekolim-panjakanan'i Faravohitra (1929)
- F.F.M.A Ambohijatovo Atsimo (1933-1941)
- Collège Paul Minault (1942)
- Chambre de Commerce Antananarivo

Mpitam-bola tao amin'orinasam-piarovana (La Préservatrice) no asa voalohany nataony (1942-1955). Tsy sarotra anefa ny maminavina fa ny asa nifandray tamin'ny Soratra no nanintona azy kokoa. Koa dia niara-nitazona ny Gazety Hehy tamin'ny rahalahiny Célestin Andriamanantena i RADO (1955-1966). Nandritra izany asa fanaovan-gazety izany no nanaovany fandalinam-pianarana manokana mifandray amin'io tany Strasbourg (1960).

- Centre International d'Enseignement de Journalisme, Université de Strasbourg

Avy eo dia niasa tao amin'ny Trano Famoaham-Boky Protestanta Imarivolanitra izy hatramin'ny 1974. Niverina Gazety Hehy : 1975-1977. Ary niasa 12 taona tao amin'ny ministeran'ny fanolokoloana ny zava-kanto revolisionera izy mandra-pahatongan'ny 1989, Talen'ny Foibe Fanapariahana ny Kolon-tsaina sy ny Zava-Kanto.
Mpikambana ao amin'ny UPEM-HAVATSA i RADO, ao amin'ny Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy ( FIMPAMA) koa izy, ary mpikambana mahefa ao amin'ny Akademia Malagasy nanomboka tamin'ny 1988.

Dieny fahakely dia efa notaizain-dray aman-dreniny mba handala ny maha-Malagasy izy ary nampianarin'izy ireo momba ny fomba amam-panao sy ny fiteny ary ny ohabolana Malagasy. Dia karazan'ny efa voasoritra ihany ny diany kanefa dia nampiany fikirizana sy fiezahana izany, nombain'ny fianarany tamin'ireo sakaizany mpanoratra toa an-dry Pasitera Ravelojaona (izay isan'ny mpitolona tia tanindrazana rahateo) na Ravoajanahary Alphonse. Anisan'ny fisehoan'ny fitiavan-tanindrazana ny fanandratana sy fanomezan-danja ny maha-izy ny firenen'ny tena, isan'izany ny kolon-tsaina. Moa tsy ireny tokoa ve no mampisongadina ka mametraka ny tany iray amin'ny toerana tsy itoviany amin'ny hafa. Moa tsy ireny harena mampiavaka ireny izay tsy anan'iza afa-tsy izy irery no mahatokana azy ? Ka zary rehareha sy ivelarana amin'izao tontolo izao. Nanao betsaka tokoa i RADO na dia io fotsiny aza satria sady mpamoron-kira sy tononkalo izy no mpanao sary hosodoko no mpikabary, tamin'ito farany ito aza dia nahavita nanao Kabary am-panambadiana mihoatra ny 1300 izy ary mbola mitohy izany izao. Niarovany izany maha-Malagasy izany ny diam-peniny, kanefa nampiasainy koa io asa soratra io mba hampitana hevitra sy fankaherezana ho an'ireo mpiray tanindrazana aminy.




Ireto ireo amboara 7 efa voatonta:


Dinitra - 1973,
Ando - 1977,
Zo - 1989,
Sedra - 1993,
Ny Teny Malagasy - 1994,
Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany - 2002,
Voninkazo adaladala - 2003.



Efa misy dikan-Teny Anglisy, Alema, Frantsay ary Rosiana izany asa sorany izany. Manana anjara ny vahoaka eran-tany. Ka aoka tsy ho tompon-trano mihono isika Malagasy.
Nosafidiany ny hanoratra ny aingam-panahiny amin'ny teny malagasy ihany, tokam-po izy ka toy ny tsy fetezany hiala amin'ny Nosiny ihany ny fifikirany amin'ny Tenin-dRazany eo amin'ny Haisoratra.
Raha mikikitra toy izany isika Malagasy na dia aty an-tany lavitra aza, eny fantatra fa tsy mora nefa azo ikirizana tsikelikely e, dia efa hisy ampahan'ilay fitiavan-tanindrazana mirehitrafo sahady ao anatintsika ao, lahinjiro hanilo ka hitondra antsika any amin'ny Tanin-dRazana sady Tanin'ny Taranaka. Antsika izao no miaro ny lasany sy manomana ny hoaviny.





Ny Asa Soratr'i RADO sy ny Tanindrazana:



Manoratra tononkalo mahaenika ny takatry ny fo rehetra i RADO, fa ny hevitra tena misongadina indrindra dia ny Fiadiana amin'ny tsy fitovian-jo, Andriamanitra, ny Fitiavana ary ny Tanindrazana. Ireo farany ireo dia raikitra ao anatiny lalina tokoa, hoy mantsy izy mampilahatra ny Vadiny amin'ny Tanindrazana.
NY TIAKO, NY TANIKO €“ RADO ZO, P.79





NY TIAKO, NY TANIKO



Fa malalako ianao, nefa aoka koa hotsorina
Fa ny tanindrazantsika tiako tahaka anao tokoa
Miara-belona ao am-poko, tsisy azoko fongorina
Fa ny iray tsy mahafeno izay nialan' ny faharoa.


Fa na misy tanindrazana ary anefa tsy ao ianao
Hisy dikany inona àry izay rehetra nisasarana
ho an' ny tanindrazantsika, nitolomako hatrizao...
Raha tsy misy olon-tiako hotoloran-kasambarana?


Nefa, na dia tiako ianao, aiza isika moa no hitoetra,
raha tsy nisy tanindrazana hiveloman' ny fitia?
Ho vahiny lava isika, mpindrana fotoam-boafetra
Fa tsy afaka hanantena hasambarana doria !


O ! mitovy lanjan' isa ao anatiko ianareo
Tsy hay avahana ao am-poko. Samy tiako, samy mamiko
Ka ny hiram-pitolomana efa mba nasiako feo
Hira tokana kanefa, ho an' ny tiako sy ny taniko!


RADO

(21 Oktobra 1975)
Zo, p.79





Asa iza no vady be sy vady kely fa toa tsy misy tombo sy hala raha henoina amin'izao.
Fa hafa koa ny fisehony ato amin'ity tononkalo mitondra ny lohateny hoe « Hevi-bahoaka » ity, tononkalo te hipoaka:





HEVI-BAHOAKA


Sarony tsindrio aza avela hivoaka
ny rano mandroatra !
Fa torak'izany ny hevi-bahoaka
tsy avela hitroatra.
Farany mantsy tsy maintsy mipoaka
ny sarom-bilany
Tsy maintsy mandrodana koa ny vahoaka
raha maimbo ny ràny!


RADO €“ 11 Marsa 1975



Moa tsy mampahatsiaro ny fivaivain'ny toe-javatra izay nitranga efa in-maro miatoana teo amin'ny Tanindrazana izany andalan-kira izany ? Tsaroana vao tsy ela ny faha-45 taonan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara, vaninandro lehibe izany, tolona sy ady izay tsy azo hadinoina no nataon'ireo raiamandreny tamin'izany : TOLONA HO AN'NY FAHAFAHANA, ady ho an'ny fahafahantsika rehetra. Tolona nandraisan'i RADO anjara tokoa satria maro ny tononkiram-pitiavan-tanindrazana nosoratany, " Ry Fahafahana" (Dinitra P35-37) ohatra, izay navoakany tao amin'ny Gazety Hehy tamin'ny taona 1961.
Tamin'ny 1972 dia isan'ireo nafana indrindra ny fitroatran'ny diam-peniny ary nanitsy nivantana tany amin'ny niantefany mihitsy ireny ; herin-taona taorian'io no nivoaka ny amboarany voalohany (Dinitra, 1973). Tamin'ny 1991 dia isan'ireo nafana fo i RADO teo amin'ny Kianjan'ny 13 Mey, ary mbola niverina toy izany ihany tamin'ny 2002, tsaroako mihitsy ilay tononkalony hoe: "Deuxième tour a deuxième tour!" izay ao anatin'ilay amboara :"Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany" nivoaka taorian'iny Tolom-bahoaka (2002) iny koa.
Tsy resin'ny fotoana sy ny velaran-tany ny fitiavana ny Tanindrazana, tsapa eo amin'ny tononkalon'i RADO izany. Soloiny tena sy teny amin'ny tononkalo maro ny mpiara-belona aminy amin'ny fahasarotam-piainana, amin'ny fampaherezany azy ireny, na ireo aty am-pielezana na ireo Malagasy ao amin'ny taniny. Tsy misaraka amin'ny mponina ao aminy ny Tanindrazana. Raha izany tokoa moa no tsisy? Dia ho inona sisa?
Henoy anie ity antsan'i RADO ity mitondra ny lohateny hoe "BOBOKA AHO RY TANINDRAZAKO" ity e! Maneho ny fakam-panahy handao ny Tanindrazana noho ny fijaliana samihafa, nefa mametraka ny fitiavana azy mahery vaika hahatohitra izany.




BOBOKA AHO RY TANINDRAZAKO



1- Boboka aho ry tanindrazako
Ka avela ianao ho eo
Ka izaho sy ny hazakazako
Handositra fa efa leo
'Zato fahorianao
Sy ny fijalianao
'Zay nanjary fahoriako
Ary lamba fitafiako.


2- Aiza ve k'izaho irery
Sisa no natao hijery
Izato endrikao mirava
Sy ny hasoanao voarava ?
Fa ny maro dia efa tola :
Ao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona
Ka nahazo famololona
Tao 'reo lasana sahady
Fa trotraky ny lazon'ady
Tao ireo tsy nahasehaka
Resin'horaka sy tehaka
Nisy matin-kenamaso
Tamin-tsiri-tsaramaso
Tao 'reo lavo tsy tafarina
Nivaro-bob'irony marina


3- Ireny rehetrarehetra ireny
Lasana any tsy miteny
Ary izaho irery sisa
Tamin'ireo an-tapitrisa
No milanja ity tolona
Izay mivaona sy mivaona.
Eny, izaho, izaho irery
No mifofotra amin-kery
Sady tsy tafandry mandry
Mampijoro izato andry.
Nefa ity rindrina ity
Efa tazako mihitsy
Fa mirona, tsy mahitsy,
K'afaka fotoana vitsy
Dia hidaboka, hikoa
Raha ts'indray vonjena koa
Ny zanatohatra efa tapaka
Tony rihana efa rapaka,
Ny tafo izay nataon'Ikaky
'Ndreo miantomboka ho vaky
Maina koa ny lava-bary :
Toa akaiky ny mosary.
Ny vy nampalesina
Indreo fa lanin'harafesina ...


4- Te-ho folo izo ny tanako
Hanamboatra anao fananako
Nefa, dia tsy amboa tsy lambo.
Ka raha avy izay atambo
Haninona aho no ho faty irery
Hanolo-tena hanao vivery ?
Fahafirin'iza aho
No hiari-doza be mitraho :
Hianjeran'ity vovonana
Sy ho voafingana an-tokonana ?


5- O, mihidy izao ny vazako
K'eo hianao ry taninndrazako
Avela hianao ho potipotika
Avela hianao ho rotidrotika
Izay mianjera avela hianjera
Izay te-hitsetra anao : mitsera
Lasana aho, Veloma hianao
Izay mitranga : anao ny anao


6- Loza izato fahasahiako
Adray iky ity habibiako
Nasiaka izato fitenenako
O, ifonako, anenenako.


7- F'iza intsony, k'iza intsony
O, ry lovako ambony
No hiaraka aminao
Hizaka izao rehetra izao ?
O, hianao irery sisa
No hany mba hamisavisa
Eny, hianao, hianao irery
No hizaka ireto fery
Sy ny kaikitry ny fositra
Raha lasana aho mandositra.
Fa ny andro takariva
Amin'izay ho tena ziva
Ny maraina dai ho haolo
Ny tanàna dia ho ntaolo
Ka ny vahiny izay mandady
No hanatsatoka kiady
Ity tanànako fahiny
Noheveriko ho afaka iny.


8- Tsia, fa hiova hevitra aho
Ka n'inon'inona fitraho
Sy fandondonao ho rava
Hiorina eto lalandava
Ny fisiako manontolo
Na ho lo hianao na bobongolo.


9- K'avela hitsoaka izay hitsoaka
Avela hipoaka izay hipoaka
Avela hivadika ny rasa
Avela ho lasa izay ho lasa
Fa matokia hianao ry taniko
Ry sampy tiako sy andrianiko,
Ny ahy, jereo io tanako io
F'homeko hery indray anio
Hanohana ny vatan-trano
Na dia hahitako angano.
Ka raha alina ny andro,
F'efa dila ny masoandro
Ny voloko eo ho lahin-jiro
Ary ny aiko amikiro
Mandra-piavin'ny maraina
Efa tsinjoko ao an-tsaina


10- Ary ny hamboko rehetra
Sy ny dinitro no fetra
Hanamboarako 'zay tritra ...
Rah'tsy ampy ireo, ny rà tsy ritra
Fa atosako homeko
Ho anao, ry Fireneko ...
Ka na dia tokana ny tenako,
Na voafetra ny harenako;
Izao no hafatro aminao :
"Maty aho vao maty hianao".
Fara-faharatsiny aza
Aza atao hoe hevi-jaza
"Miara-maty eto isika
Miara-rava sy mivika".
Fa tsy tohan'ny fisainako
Sy tsy zakan'ny fianako
Izany hianao "ho rava irery"
Tsy mba misy mpampahery.


RADO




Ho famaranantsika ity dia haverintsika eto ny fahitan'ireo mpanoratra sakaizany an'i RADO. I F-X. MAHAH dia nilaza fa : "Miaina eo anivon'ny mpiara-belona aminy i RADO fa tsy mihalangalana akory. Mahatsapa ny voina mianjady amin'ny mpiray tanindrazana aminy izy ary hiakam-pijaliana reny no fonosin'ny tononkalony. Mitondra fampaherezana, manokatra ny mason-panahin'ny vahoaka sy ny mpitondra. Mandrehitra ny afon'ny fitiavan-tanindrazana".
Ny tenin'i DOX kosa dia manao aminy hoe: "Ianao dia poetin'ny Fahafahana ary mpiady ho an'izay mbola voatsindrin'ny fanjanahana. Namafisinao ny firahalahiantsika amin'ny Afrikana amin'ny hoe: "Mainty aho". Na ao aza ny Kanalin'i Mozambika izay lalina dia lalina tokoa, ary na heveriko ho tatsinanana aza isika, ny firahalahiana torianao dia firahalahian'ny olombelona rehetra. Ny fanahy no olona fa tsy ny volon-koditra akory ka misaotra anao fa hery ho an'ny voatsindry rehetra ny tononkiranao, izay miely eran'izao tontolo izao ary mahafaly fa tafiditra amin'ny fandaharam-pianarantsika. Hahita hery anie izao taranaka izao hanohy ny tolona... Hoy ity rahalahinao amin'izany"


Mbola eo i RADO zoky hitarika sy hiahy, haha-afaka olan-teny, kanefa dia enga tokoa isika taranaka hanohy ny tolona. Mbola tsy misy ny fahafahana raha mbola misy giazan'ny fahantrana farahidiny na ara-tsaina na ara-batana na ara-panahy, koa ny firaisan-kina sy ny fifanomezan-tanana no haha-mitabe tsy lanin'ny mamba, haha-akanga maro tsy vakin'amboa antsika ka hampijoro an'i Madagasikara hitohy ho reharehan'ny Malagasy tsy vaky volo.
Vakio anie ny tononkalon'i RADO e, dia ho tsapanao ny lanjan'izany!

Nanao ny fanadihadiana ho anao: Hanitr'Ony. Misaotra anao ry mpihaino hajaina nanaraka ny tantara fohy momba an'i RADO "Mpanoratra Anio". Manome fotoana anao indray ho amin'ny manaraka!



Torim-Baliha 2 nalaina feo ny 28/06/2005
nivoaka tamin'ny onjam-peo Zooma Capricorne, Paris, ny 01/07/2005