Eto ianao : Fandraisana> Aina> RAHA FO

RAHA FO

Raha fo mareforefo no entinao misedra izao tontolo izao
sasatra ianao.
Fa fo mahay mizaka ny siaka sy ny jaly, fitia tsy antenaina,
izany no ilaina.


Raha fo mahery setra, mora misendaotra sy valifaty foana
tsy dia manao ahoana.
Fa fo mahay mitony, mihevitra ny hoe tsy omena fa manolotra
fitia tsy an-tendromolotra.


Saina resim-po, na fo voabaikon-tsaina, tsy zakako iainana,
tsy tantin'ny fisainana.
Fa fo sy saina miaraka, vonona handrindra izay rehetra loko
zariana ho hosodoko.


AINA -25 Jona 1995