RISORISO


Tsy diso
Aho mivolana
Androany :
Risoriso
Re no olan'
Ny tany !
Io no didy
Mifehy
Indrisy !
Mihidy
Ny aleha
Raha tsisy
Ilay vola
Asisika
An-tànana,
Izay mbola
Mandrisika
Namana
Hanao
Tsy mety
Hatrany.
... Azonao
Vetivety
Raha any
Ilay "fomba"
Mahavoa
Tsy tononina !
Toa momba
Avokoa
Re ny mponina !


Indrisy
Onena
Ny fo,
Fa vitsy
Ireo tena
Mifoha !
Rendremana
Sa mody
Variana ve,
Notsentsenana
Ody
Tsy handre,
Ireo zanaka
Gasy
Tomany,
Taranaka
Hasin'
Ny tany ?
Fahantrana
Tsy vao
Tenenina,
Tamàna
Ianao
Bemarenina !
Ndeha
Vonjeo
Ilay Nosy,
Endrey !
Mitoreo
Voahosy,
Voatasin-
Talaho
Tsotra izao :
... Fa Gasy
Izaho
Sy ianao !

Toetra RAJA