RY FITARATRA !

Olon-tsy voaisa,
Samy mba kinasa
Hamiratra, handrasa,

Tsinjonao mijery !
Tsikaritra sahady,
Hanao ahoana irery... ?
Izao tontolo izao mitady,

Miaraka miasa ny rehetra,
Ny anjarantsika?
Ny tenantsika tsy misy fetra!
Am-pahatsoran-tsy tinery hihiaka

Mila ihany koa ny "Fanahy"
Na ho anao na ho ahy; hangaihay?...
Eny na misy...misy mpiahy na tsia"silam-panahy"
Isan'izany ny voahary rehetra ny vahy.

Mba misy mpiahy ary tsy ho tsiahy.
Ny taranaka no fitiavana,
Tsy haningotra ny finiavana...?
Koa alao hery ary ry sakaiza namana.

Andry SALOMON
10 Oktobra 2004