RY NENY...

Raha fantatrao ry neny, ny ady izay atrehiko
Aty an-tany lavitra, ny mafy tsy voafehiko ;
'Reo olana mitranga sedraiko isan'andro,
Ny vatako efa trotraka raha mody ny masoandro.

Raha hitanao ny dinitra mirotsaka ny tavako,
Ireny manaintaina manenika ny vatako,
Nataoko toa tsy nisy, niaretako mazàna,
F'izany no safidiko... ny lalana malama.

Tsy mba fantatrao ... ireny alahelo,
Rehefa izaho mahatsiaro sy mba mamelovelo
Ny tranokelintsika...fahiny mantsy izany!
Kanefa anie dia ferako ny foko tsy hitomany.

Fa toy ny vao omaly 'reo teny nomenao
An-taona maro izay, fony izaho handao,
Hisidina any lavitra, hikaroka ny soa,
Mbola ato am-poko ato, tadidiko avokoa.

Fa saingy horovitiko ity taratasy ity,
Tsy izany no andrasanao avy amiko aty,
Fa handeha hanoratra aho: "mazava ny marainako"
"Sambatra aho ry neny... milamina ny fiainako!"

DadaRabe
Marseille
06/05/01