RY TANORA.
Raha ny ho avy, toa mampitady ny mbola tsy hitaEfa taratra ...asa...be ny ho tafita
Ny fiainanao angamba, mbola tsy hay?
Ny tontolo efa nahay, hatraiza? Miolomay
Mamy ny miaina...toy ny tantely
Misy tia anao, n'aiza misy anao
Handeha hiroso, tsotra, isika tsy Anjely
Mibanjina ny ho avy manaraka ny tantara
Mihamandroso ny fivoarana,
Tsy ho diso aoriana isika
Manana anjara ny tsirairay
Amin'ny hoaviny ny Fitiavana miatrika
Mankahery ry Zatovo.
Andry SALOMON
23 Septambra 2004