SAMY TSY MBA METY FOIKO, SAMY TSY MBA HADINOIKO.
SAMY TSY MBA METY FOIKO,SAMY TSY MBA HADINOIKO.
Any, endri-mevan-drisi-poko,
ny finoako ;
Any, soratry ny rahona eny an-danitro,
ny hanitro ;
Any, hanjan'ny fiainam-pahasambarako,
fianarako...
Samy tsy mba mety foiko,
Samy tsy mba hadinoiko.
Any ilay mpandatsa ahy nefa sitrako,
ny ditrako ;
Any ilay tsy nety nampisiako,
nefa tiako ;
Any ilay nataoko ho malalako,
hay ka halako...
Samy tsy mba mety foiko,
Samy tsy mba hadinoiko.
Fa mbola eo daholo izany, Rahavako,
Fitiavako,
Fa ny hany mba tsy tiako nefa tsy mba mety foiko,
Dia ny hambo tsy nariako.
Hanitr'Ony
25 Oktobra 1994