SAROTRA
NanombokaNamaha
Ny fatotra
Aho zareo,
Niroboka
Ao an-tsahan'
Ny sarotra
Mpiseho ;
Iafiako
Anamparana
Ny hery
Rehetra,
Tsy itsitsiako
Hasasarana
Na fery
Setrasetra.
Kapoka
Kibay,
Ozona
Mandratra,
Tampoka
Indraindray
Tery vozona
Mihatra ...
Dia hataoko
Miala maina
Hivarina
An-kady,
Tsy ahoako
Fa ny saina
No akarina
Hiady.
Na inona
Hihatra
Ary koa
Hidona,
Tsy maninona
Fa zatra
Ratram-po
Sy honahona.
Ka ny atao
Hitoetra
Ary hasesy
Tsy ho lany
Dia izao :
Ny tarigetra
MANDRESY,
IZAY IHANY !
Toetra RAJA
10 oktobra 2004