Soa ihany
Soa fa nisy lohataonaNandimby ny hirifiry
Soa fa ny maraina
No nandevona 'ty ali-mankadiry
Soa fa nisy mamy
Tanatin'ny mangidy
Soa fa ny tomany
No nanekeko ireny didy
Soa fa nisy fahendrena
Nanitsy ny hadalàna
Soa fa ny mody mena
No nampiratra ny volamena
Soa fa nisy ianao
Nisolo izay tsy izy
Soa fa ny fitiavanao
No hitaizana ireto ankizy
Soa ihany!
Andamioly
Paris, 14/02/2005