TAIZA IANAO ?


Taiza ianao fony tsy nanan-kifikirana
Ny saiko nisavoro ?
Taiza ianao fony tsaroako nanahirana
Ny aloka nijoro ?


Taiza ianao fony tsy nanan-kianteherana
Ny foko manjoretra ?
Taiza ianao fony nitombo sy tsy ferana
Ny ora nampitsetra ?


Taiza ianao fony tsy nanan-kantenaina
Ny toky nifotorana ?
Taiza ianao fony saika very maina
Ny fenitra nizorana ?


Taiza ianao fony tsy nanan-kitokisana
Ny raoziko nitia ?
Taiza ianao fony tsy nanam-pahamafisana
Ny heriko malia ?



Fredy JAOFERA