TANANA NAHABE
Mahagaga ahy iny vorona inyTsy maintsy mahatsiahy ny ala niaviany.
Vitsika, tantely bitika sy kely
Vao mahazo mamy, mamonjy ny akany.
Mahalasa vinany ny mahita izany ...
Injany any ho any misy feo manontany:
"Dia hadinonao ve 'lay tanàna nahabe?
Dia hadinonao ve?"
Fa mafy ady 'lay tany niaviana
Mafy ady tokoa!
Manjaka ao ny tsy fahampiana
Sy toe-tsaina lo.
Misy izao ny maty mosary
Miharihary fa ny mponina ao mijaly .
Zaza maro mangataka eny an-tsena
Mirenireny fa tsy misy izay akany ...
Mahagaga ahy iny vorona iny
Tsy maintsy mahatsiahy ny ala niaviany.
Vitsika, tantely bitika sy kely
Vao mahazo mamy, mamonjy ny akany.
Bana Rahalahy €“ 1985 & 2000