TANDRIFY SY SAHAZA



Misitery amiko ny fisianao any ho any
Vahotra ny saiko hamaritra avy hatrany
Ny aminao: Anarana, Fihaviana, Anton'asa
Ry silaka famenoko, voatendry sy voakasa

Angamba efa nifanatri-tava
Na vao sambany hihaona
Fa ny azo antoka mazava
Samy miandry ilay fotoana

Ho iray hono
Feno hevitra mifono

Ny finoanao no indro irosoako
ny tanjonao no hanjary imasoako
ny fahombiazanao no dradraiko ho ren-tany
ny faharesenao no hampilatsak'ahy tomany

ny aretinao hankarary ahy
ny tanjakao hankahery ahy


ny toetranao, ny fombanao, ny hevitrao ...
hifanojo amin'ny ahy
anisan'ireo fisedràna, isan'andro hihavao
hitsaràna toe-panahy.

Ho ianao no ivon'ny tontoloko
Sanatria tsy ny Mpahary no voasoloko
Nomeny isika hanisy lanja ny tantara
Indrindra ho dimbiasan'ireo fara
Ekeko sy ho tiako fa anjara
Malala !


ANDAMIOLY