TANO NY HAZO
Mba tanoNy HAZO
Fahano
Tsy halazo,
Ka asio
Zezi-tany,
Fa tsy anio
Izao ihany
No ilàna
Ny tontolo
Feno màna
Mila kolo.
Amboary
Dieny izao
Ny voaharin-
Janakao ;
Koloy
Hamololona
Ho toy
Ilay "voaforona",
Tabiha
Reharehan'
Ny tia
Mihiaka hoe :
"Ny zanaka
Aman-jafy
Dia taranaka
Tsy mihafy !"
Tsy volana
Takarina
Fa olana
Vokarina
Ny afo
Atsanganao
Mitafotafo
Tsotra izao !
Koa isika
Velon'aina
No mibika
Sy misaina
Ny ampitson'
Ny tontolo,
Tsy ho diso
Na voasolo
Tany hay
Poak'àty
Mahamay
Mahafaty.
Aza tratra
Aoriana
Handratra
Fo ny Tiana
Izay solofo
Manantena
Fa tsy miofo
Ny harena.
Ka tano
Ary ny AZO
Sao angano
Mampalazo
Bobongolo
Lava izao
No ho tontolon-
Janakao !
Toetra RAJA
02 martsa 2004