TANTERAKA VE
Ritra tanteraka ve ny fitianiarahana lava nantsaka fahiny ?
Mangetaheta ny fo mbola tia,
miandrandra na dia faribodin'ny siny.
Lany tanteraka ve ny tsiriry
hany mba notahirizin'ny zinga?
Indrisy! Ny fo mantsy mbola maniry
hiarina hatrany na avy nandringa.
Kila tanteraka ve ny forohana
nokasain-kandraofana ireo tapatapany?
Kanefa ny fo mbola vonon-kanohana
rindri-mivava mba ho tonga lapany.
Maty tanteraka ve irony solika
hany hazavana niaraha-nandray?
Maizina ery itony fo mitangolika
maniry ny hazava mandrakizay.