TENY FOANA....

Teny foana ny fivavaka amenoany ny habakabaka
Fa ny fony mbola feno halavolo mampanavaka
Teny foana ny fivavaka androtsiany ny alahady
Fa ny tolon'ny mpitrongy dia jereny ho sarin'ady

Teny foana ny fivavaka anehoany ny finoany
Toa ampeta-betivety tsy mifototra ao am-pony
Toa ampetaka andokoany fisehoana ety ivelany
Teny foana nianaran-kahavantana ny lelany

Raha tsy arahim-pamonjena ary tànana mitsotra
Hanampiana rahalahy miandrandra fanarenana
Entim-pahatsoram-po fa tsy miandry famerenana
Dia ho levom-poana hivaha toa setroka nipololotra
Raha tsy arahim-pitiavana fa idolana toa firavaka
Raha tsy vokatry ny fo Teny foana ny fivavaka

F-X Mahah
30-08-2001