TENY MALAGASY !



Teny malagasy nianarako niteny,
Teny malagasy nikiazako an'i neny,
Teny malagasy fony aho nibadabada,
Teny malagasy no niangaliako hoe «dada».

Teny malagasy nahaizako nivavaka,
Teny malagasy niderako Azy niavaka,
Teny malagasy na faly aho na narary,
Teny malagasy niantsoako Zanahary.

Teny malagasy nahafahako nikajy,
Teny malagasy nahazoako mokonazy,
Teny malagasy nividianako sambôsa,
Teny malagasy nindramako kabôsa.

Teny malagasy nipololotra am-bavako,
Teny malagasy nilaza ilay fitiavako,
Teny malagasy nifamaliako koa,
Teny malagasy nataoko mokon-doha.

Teny malagasy vazoin'ny tanànako,
Teny malagasy hirain'ireo akamako,
Teny malagasy vazaiko tsy an-kimalo,
Teny malagasy hireveko tononkalo !


DadaRabe


Marseille
01/07/02 19 :40