TENY ROA

Teny roa dia efa ampy

Ilazako ny ato anaty ;

Teny roa no vatolampy,

Tsy voazera mandramaty



Teny roa dia efa afaka

Manambara ny ato am-poko;

Teny roa no tena miavaka,

Mbola meva sy miloko.



Ny voalohany dia ny TIAKO,

Ny faharoa dia ny hoe: IANAO,

Ka ny hany mbola iriko,

Ny fitambarany eto izao.



Mba tia anao ny tena

Ka tsy mahafoy hatrany;

Ianao no mbola harena,

Tsy voasoloko eto an-tany.



Teny roa !...Tsy mihoatra !

No mbola sarotra kosehina;

Teny roa no mamy loatra,

Tsy hay akoro na potehina.



Fredy JAOFERA