TSIARO
ampitondraina an'i N. ho an'i S...Veloma ry voro-mandalo
namela fingadona vao
handeha hiantsinanana ianao
ka ento f'izao re no kalo
izao no mba vetson'ny fo
mbola sempotry ny ora nanjo.
Ny akon'ilay ranomasina
anatin'ny onja tadidy
injao mbola be hasinkasina
ho fetran'ny ora mangidy
kanefa fefena ao hangina
hihaino ny feon'ny jina.
Ny kalon'ireo ravinala
tanivon'ny mavana indrindra
nandrenoka anie ry malala
kanefa aho tsy maintsy nifindra
fa sompatra anie ny anjara
namaran-korana toa tsara.
Ny elatr'irony voanio
nandrotsy ny morona tony
niriako hihoaran-tadidio
an-danitra manga eny ambony
dia toa novolosana an-tsaina
handratra ny andro maraina.
Ny siokan'ny fasika teny
nisangy ny rindrim-palafa
vahotra toy ny mpanjeny
mandositra olon-kitafa
k'indrisy ny foko tomany
jembin'ny toriny ihany.
Nisy tsiahy te-hiverina
hanaitra ny efa matory
ny molotra lasa kaikerina
hikombona ireo mampahory
kanefa tsy mety tsaroana
miverina ihany nahoana ?
Veloma masina veloma
ry manana elatra hitondra
ny foko an-tomany no alona
hanadino ny embon-tSahondra
fa lavitra loatra ny havoana
iheverana ilay tsy anoloana.
f-x mahah