TSIRIRY AHITRA KOSA AHO KA HIOROM-PITIA HO ANAO
Tsiriry izay tsy inona akory,
Fa vorona ihany ka mora voasory,
Fa izaho ry malala na faly na ory,
Hitoetra ho ravak'izany, hamory.
Ny fanantenana izay efa maniry,
Dia aoka hamony no sady hitsiry,
Tsiriry izay lasa voasolo tsitiry,
Ka baikon'ny tiana no hany moziry.
Izay efa lasa misidina ambony,
Avela ho roso rehefa malony,
Raha mila hitodika re iavony,
Raha mila ho manina koa ianjony.
Ny hambo sy ny avona dia hitoviana
Ka inona indray ary no mba hiafiana?
Ny foko ry lala mba hitokiana,
Fa vorona mba ho anao re ry tiana!
Izay efa lasa sy efa nania,
Matoa tsy tamana izy dia voron-dia
Fa ny eto ry malala tsy miova fitia
Izay fivadihana dia sanatria.
Ny vorona lasa nihoatra, afoizo,
Ny foko mibaboka koa rohizo,
Ny lakam-pitiavana re no voizo,
Fitia tsy ho faty re no tohizo.
Raha tokana hono no lasa any ankoatra,
Nentan'ny fony ka lasa nihoatra,
Nefa izy dia manina loatra,
Mitady hisosa fa tsy afa-manoatra.
LAL-AINA