TSY ETO IHANY....
Tsy eto ihany no ahitana olona tsy manan-tafoIalofan-draha migaina iampifiana raha ririnina
Any koa raha mangatsiaka sombin-damba no fihinina
Ary loha no mila ho vaky raha midaroka toa afo
Izany daniky ny andro
Tsy eto ihany no ahitana olona miferotr'aina
Raha manomotra ny alina toy ny hantsa-mangotana
Ka hitelina tsy miantra ny efa lanaka sy ana
Tsy nahita ventin-kanina hampitony ny tarainan-
Jazakely mihandrohandro
Tsy eto ihany no ahitana olona tsy manana asa
Te-hifofotra kanefa tsy eken'ny fiainany
Ary foana no andikany ny fifohazan'ny marainany
Ka tsy misy no manako raha toa izy mba mikasa
Hitondra ny hery fanorenany
Raha iantrana ny aty ny any koa mba tsaroana
Na dia lavitra ny maso ny kitsay mandrakotra azy
Na tsy henon-tsofina aza ny toloko tsy an-tsazin'
Ireo zaza very nofo zary taolan-tsisa noana
Eo an-dringitra onenany.
f-x mahah