TSY FANTATRAO...

Tato anatin'ny fahanginako,

No nizahavako anao ...

Angamba saro-kenatra aho,

Kanefa aho sahy nizahozaho

Afa-tsy taminao...


Tantara ho ahy, ny tsiahy, any aminao,

Tsy matotra aho, ao anatiko ao,

Mamololona ahy hatrany ny endrikao,

Fa fisiako izany, tsy fantatrao,

Soa fa nisy izao tontolo izao...



Andry SALOMON

20 Septambra 2004