TSY IRERY
Tsy tokana aho no tena adala,zendana, tsy mahalala
fa ny fitiavana, halalinina:
jaly, nefa dia fihinina.
Tsy irery manjoretra,
miahotra na miamboletra;
miady, nefa koa mionona;
mihiaka, sy tsy sahy manonona.
Samy manantena ho avy;
na samy mino fa tsy ho to.
Samy mihenjana fa tady.
Dia samy vakivaky fo.
AINA-14 Jolay 1999