TSY IRERY...
Na mafy aza ny lalana,Mideza ny fiakarana,
Manjombona ny andro,
Miampify ny masoandro,
Ka zary haizin-kitroka ny faravodilanitra
Marefo sy malazo 'reo voninkazo manitra ;
Tsy irery ianao...
Na misy kotroka aza,
Mirotsaka ny havandra,
Mivelatra ny fandrika,
Miridy sy maranitra,
Ka ny androm-piainanao vinita fahirano
Fa misalovandovana ny loza sy ny angano ;
Tsy irery ianao...
Na misy ny alahelo
Mandrotika toa helo,
Ka manamontsamontsana
Sy mampivarahontsana,
Ka indro mihozongozona ny kely mba finoana,
Ny hany sisa mamy manjary tsy tsaroana ;
Tsy irery ianao...
Tsy irery ianao,
Fa misy namanao,
Izay tsy mba manadino,
Ka indro ianao fa mino,
F'hiposaka tsy ho ela ny tara-pahazavana
Hitondra hafaliana sy hizara hafanana ;
Tsy irery ianao...
Dadarabe
Marseille,
01/09/2001