...TSY MAINTSY MBA HO AVY SY HO TODY...
Nisy herika niserana...
Ny andro dia nanonofy,
Nanampy ihany...hatrany!
Mety hanambara va ny takariva...asa?
Misy ampitso...tsy hay ho toy ny anio?
Haravoana ho ahy, ny mbola hiaina indray,
Ka hisaina ny hoaviko ; amin'izay...
Ny manodidina ho tretrika angamba?
Mba mety hitsiry ny fanoavana,
Tsy hihambahamba;
Ho tonga aho sady efa tia mitomandavana
Andry SALOMON
26/11/2004