VAVAKA HO AZY

Tsy takatry ny saina ny fankahalana
Nitsiry tao am-pony, namoa hadalàna
Ilay namana taloha toa lasa fahavalo
Namafy lainga an-tsofin'ireo mpandalo


Tsy takatry ny saina satria tafahoatra
Ny ngidy ao am-pony miboiboika mandroatra
Ozona sy latsa no miraraka am-bava
Avona sy siaka no mandravaka tava


Tsy takatry ny saina ny fidonaky ny afo
Miredareda ao am-pony mandripaka ny hafa
Satria ve nandà tsy hiray tsikomba aminy?
Hanitsaka ireo lavo, mifanohitra hevitra aminy?


Sanatria valifaty no ho atao vono afo
Hampitony ity fony. Fa fitia mitafotafo
No angatahina hirotsaka avy any an-danitra
Vavaka asandratra ho ditin-kazo manitra


Sanatria tsora-kazo no hananaranao azy
Hampiova ity fony, avalony ny sazy
Fitahiana, fifaliana no tononiko ho azy
Izany Ray Tsitoha ny vavako ho azy


Amena!




Rajaonarivelo Lalatiana S.
19/20 Oktobra 2004