VAZO MORA (MAL)AZO

Avoavoin'ny vava mpandoka ka indro sodoka manao teli-moka.
Ijijijijian'ny antsanga tsy aman'oran'ny zatovo mamba
Dia anaty vovo no milangalanga.
Asa?
Efa tia manandrankandrana kosa angamba?
Ny dobo tsy hita no mahamanimanina ...
Fa raha milomano izay sendra mandalo
Azo inoana marina
Fa ny hiafarany :
Tsy hisy intsony na iray hanontany na hitsiriritra,
Dobo maina sy ritra !
B.R. 02 MEY 2005