VOAJONO

Tsy angambangambain'ny lanitra aho
Manofinofy tara-bolana iva
Fa ambakambakain'ny lahatra aho
Io tohofy voambolan'antsiva !



Misodisody eritreritra manaloka alan'ampanga
Manenika ladin-kanitra
Somadisady fanenitra manahaka vala-manga
Tsy nahahenika vady ranitra



Tsy mba tsaratsarain'ny taona, fararano midola
Ka na revo ny siokam-borona aza
Raha tsy rasarasain'ny vintana aho, vola rano
Ka tonga vary, voron-kasin'ny taona zina



Tsy ny mamba nitsidi-pahitra
No naha-mena lamba ny akoho
Fa ny lokom-pody ririnina...
Ny antsika no irin-kateza e !


Hanitr'Ony
22 febroary 2003