VOATAVO

NY MARAINA :
Tiako ianao toy ny voatavo :
Raha mbola voninkazo ho koloiko tsy halazo.
Fitia vao mitsiry angamba? Antenaina tsy ho rava ...
Marainan'ny fiarahantsika : mifampitaiza tsy haditra .

NY ANTOANDRO :
Tiako ianao toy ny voatavo :
Tanora ianao, atao sakafo
Miam! Miam! Tendan-kanina ! Afa-po ka dia milamina ...
Izany no antoandrontsika : fitia matsiro tsy mba ritra !

NY HARIVA :
Tiako ianao toy ny voatavo :
Nony antitra sy tola, ataoko tohan'ny valiha
Vao safoiko moramora dia mikalo indray fitia ...
Ka ny harivantsika : mafana tsy mba mangatsiaka ...

Ho sambatra aho hiravoravo
Raha tianao toy ny voatavo .

NY ALINA :
Hody vovoka ny nofo ao ambany rangolahy
'Lay fitiavana tsy hiofo: mbola misy ny fanahy !
Ny alintsika akỳ mazava : diavolan-dalandava !
Feheziko eto izay voalaza :
Fitiavantsika mbola avo noho ny fitia voatavo.

B.R. 09 Janoary 2003