VONINKAZO
Voninkazo efa matotraToka-monina miandry
Manantena anao ho avy
Voninkazo tsy hitady
Voarabe endriky ny saha
Fa mahatoky ilay Mpahary
Voninkazo iray maniry
Mba ho ravaky ny trano
Mandra-piala eto an-tany
Voninkazo iray hiteraka
Kolokolo dimbin'ny vary
Ho voninahitr'Andriamanitra
Lalatiana Sandrine RAJAONARIVELO